Azovy e arahina
Azovy e arahina e ia
Azovy e Anao managna ny tenin'ny fiainana
Azovy e izy koa tsy anao Tompo o
Shema an Tandrignesanao
Shema Israele
Tandrignesa Israely
Adonai Helohelo Tompo And / tra
Tompontsika Adonai eliad
Tompo Andriamanitra tokana e
1- Volagniko aminao, ambarako Anao
Ala honogno volagna Zagnaharinao
Tiava ny Tompo Andriamanitrao ô!
Amin'ny fonao manontolo
Amin'ny fanahinao jiaby
Karaha izegny koa amin'ny fanahinao e
Shema, fa Tompo Andriamanitra tompontsika
Shema, Shema an Tompo Andriamanitra tokana e
2- Alatsaho anatin'ny jerinao
Ty didy amiako anao iniany ty
Ampitampitao amin'ny zanakao o
Koragna anatin'ny tokantranonao
Na amin'ny lalagna imboanao
Anao ndray mandry ndray mifoha e
Shema, fa Tompo Andriamanitra
Tompontsika Shema, Shema an
Tompo Andrimanitra tokana e
3- Arohiza amin'ny tagnanao
Mba ho famantarana ho anao
Sorata amy laharanao o .
Apetraho tsara amy varavaragna
Asiava koa amy vavahady
Fotony anao f'olon-Jagnahary e
Shema, fa Tompo Andriamanitra
Tompontsika Shema, shema an
Tompo Andriamanitra tokana e.