Tsy mivadika anie Andriamanitra

Nivadibadika tsy roa aman-tany,
Ny vahoaka Israely,
Nanompo sampy, nanadino ny Tompo,
Nefa tsy mba nivadika Andriamanitra a ! a !

Nivadika tamin'ny lalana nomena,
Ireo vahoaka Israely,
Ny Tompo anefa dia mpamindra fo,
Ka navelany hanatona indray ny vahoaka ie e e e.

Tsy mba nivadika amin'ny teny nataony,
Tamin'ny alalan'ireo Mpaminany,
Fa notanterahiny izay nolazainy,
Satria tiany loatra isika olombelona a a ! ie e e

Tsy kivy anefa Andriamanitra tamin'izany
Ka nandefa ny Zanany ho antsika e,
izay novonoina tamin'ny Hazofijaiiana
Mba ho fanavotana antsika olombelona e,
Satria tsy mivadika anie Izy Tompo ie e e e...

Nampiditra hery
Antsao ny Tompo p. 96
Karine Dera p. 501
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0658