Tompo, tsy hanano eky

1.  Mitodiky aminao izahay,
        Zañahary Babanay,
        Ianao ilay Baba mpamindra fo,
        Natôkiñy taminao é ! nandika ny didinao e !
        Nandaba ny sofiñay, tamin'ny hafatrao.
Tompo ô tsy hañano eky e !
Tompo ô teña maneñiñy e!
Ireny hadalaña ry Tompo ô, ifonanay !
Tompo ô, mamindrà fo aminay.

2.  Mitsotra aminao, 'zahay Kristy ô !
        Ianao Kristy Zokinay,
        Ilay didim-pitiavanao é,
        nataonay an-kilabao e !
        Nahilikilikay ny madiniky e !
Kristy ô tsy hañano eky e !
Kristy ô teña maneñiñy e !
Ireny hadalaña ry Kristy ô, ifonanay !
Kristy ô ! mamindrà fo aminay.

3.  Tsorinay aminao, ry Fanahy Masina ô !
        ianao ilay Fanahy Mpankahery,
        Fa teña maneñiny e !
        Tamin'ireny hadalàña jiaby,
        Kay maso voa sakay, ny atara tandremaña.
Tompo ô tsy hañano eky e !
Tompo ô teña maneñiny e !
Ireny hadalàna Tompo o, ifonanay !
Tompo ô ! Mamindrà fo aminay.

Nampiditra hery
Sokajy Fifonana
Karine Dera p. 497
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091