Inty aho Tompo, iraho aho

O! o o o o
An ! an an an
Inty aho Tompo iraho aho
Fa vonona hitory ireo hafatrao
Tsy mendrika aho ry Tompo
Fa osa sy malemy
Kanefa mino sy mahatoky aho
Vonona handroso

Mino aho Ray ô fa homba ahy ianao
Hanoro ahy ianao amin'izay rehetra ataoko
Mahatoky aho Kristy Fanahy fa hitantana ahy ianao
Na inona hitranga eny amin'izay rehetra alehako
Mangatam-panilovana aminao 'zahay Ray ô
Entinay hiaina sy hitondra ny hafatrao
Herezo hatrany izy amin'izay rehetra ataony Ray ô

Ary ho anay ho anay Ray ô
Mba ho mendrika izany hafatrao
Mba hahafahanay hihaona aminao
Rehefa ho avy amim-boninahitra Ianao.

Nampiditra hery
Karine Dera p. 464
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093