Tsara andre Razako tsy malainy zaho ô

Réf: Ia e e tsara andre razako
    Tsy malainy zaho

Any andre Razana jiaby e
Razana ampokon-dRay sy ampokon-dReny
Mangaho joro zafin'Andre e
Ke fafazan'Andre rano E e e tsara
Razako ô la e e tsara andre Razako
Tsy malainy zaho ô

1 - Andre antsovina tsy hafarim-peo
    Zahay mpagnantso dia mba ho ravoravo
    Ho tsara joro ho tsara rano androana
    Tsy ho osaosa amin-draha tsaboina.
    Razako ô ô

2-    Handeha hagnano raha manjary
    Raha manjary hiviloman'olo jiaby
    Tsy ho hisy atao ankilabao
    Fa samy zanaka olo araiky
    Razako ô ô

3-    Tsy hiady tany, tsy hiady lova
    Fa ho mpitandro fananana mahatoky
    Sady tsy hikarama tsy hila tambiny
    Fa vonona hivelona amin'ny herin-tsandry
    Razako ô ô

Nampiditra hery
Sokajy Samihafa
Antsao ny Tompo p. 187
Karine Dera p. 449
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0537