Sakafo mahavelono

Fiv.: Sakafo mahavelono ô (2)   
Mahavelono ny besinimaro       
Ny Eokaristia namian'i Kristy eeia   
Mofo sy divay norasarasainy,

tamin'ireo Apôstôly mpianany e e ia
"Inty no vatako, raiso ary hano  
Inty no rako, raiso ka sotroy"
Ataovy karaha zeny koa mamelono ny vahoakako
Ho fahatsiarovana e ny fitiavako :
Ny fitiavako anarô jiaby e ia
Izay mihinana e ka mino zaho
Ho velono (2),
ka tsy ho very mandrakizay eeee ia !

1- Ny Eokaristia mampivondrona antsika jiaby
mitondra firaisankina
mankahery antsika jiaby
mampitombo ny finoana

2- Ny Eokaristia mampifankatia antsika jiaby
manoro antsika jiaby ny lalana marina
vatsy masina mahatoky
sakafo mahavelono

3- Ny Eokaristia manamaivana ny hasasarana
mofon'ny fiainana
fanantenan'ny marary
sakafon'ny besininimaro

4- Ny Eokaristia mampihavana antsika jiaby
hafaliana sy voninahitra
mampahita fiadanana
sakafo mahavelono

Nampiditra hery
Antsao ny Tompo p. 350
Karine Dera p. 444
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0957