Ato amiko ny Fanahin'ny Tompo fa nagnasigny

Fiv :Ato amiko ny Fanahin'ny Tompo
Fa nagnasigny zaho Zagnahary
Hitory Vaovao Mahafaly e e e e ia.

1- Hitory Vaovao mahafaly
Naniraka ahy ny Tompo
Hitondra teny soa amy malahelo  
Hanome hery ny torotoro fo  
Hamaha ny fatoran'ny mpifatotra.  

2- Hitory vaovao Mahafaly
Nirahiny hampahiratra ny jamba
Hampionona ny tra-pahoriana
Mba hitory ny taom-pahasoavana.

3- Hitory Vaovao Mahafaly
Ny fisaonana hiova hafaliana
Ny rera-po ho afa-miravoravo
Hiaraha-manavao ny efa simba ela

4- Hitory Vaovao Mahafaly
Ny fietrena hiova Voninahitra
Ho revo-kafaliana ao amy Tompo
Ny foko hiravo amin' Andriamanitra.

5- Hitory Vaovao Mahafaly
Nosaronany ny akanjom-pahamarinana aho
Toa mpampakatra mitafy saro-bidy
Ampianarin'ny Tompo ho marina aho.

Nampiditra hery
Karine Dera p. 434
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0289