Atsika zaka manan'ainy jiaby

Fiv. : Atsika zaka manan'ainy jiaby
Azovy koa moa tsy ravoravo
Amy asa soa ataon-Janahary e
Eto anivontsika
Sarotro ô ia (sarotro ankitiny e)
Ny miala amin'ny fitiavan-Janahary e
Fôtony ndrè mpanota atsika.
Tsy nariany é !
Oia e ravoravo 'zahay e ia.
Ravoravo e ia   

1. Andeha hiditry tranonao ô
Tranonao masiny Zanahary
Hidera sy hankalaza Anao
Am-pahamarinana sy fitiavana
Ho masiny anie ny Anaranao
Anao Zanahary Babanay e ia

2. Fa manana Baba malala-tanana
Anabo sady be fahefana
Manamia zahay ny zaka tsara
Zaka tsara jiaby angatahinay
Ho masiny anie ny Anaranao
Anao Zanahary Babanay

3. Fa manana Baba be fitiavana
Be fitiavana sady mpitari-dalana
Tsy mba manavaka sôran'ôlo
Androtsahany ny zaka meva
Ho masiny anie ny Anaranao
Anao Zanahary Babanay.

4. Noho ny hasina anananao
Sambatra ankitiny ny Malagasy
Fa manana an-dRasoamanarivo
Ho ôlo maherin'ny Fiangonana
Ho masina anie ny anaranao
Anao Zanahary Babanay e ia .

Nampiditra hery
Karine Dera p. 425
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009