Raha misy tia Ahy

1. Raha misy tia Ahy, hoy ny Tompo,
dia hitandrina ny Teniko,
ka ny Raiko ho tia Azy, hoy ny Tompo
Izahay hankao aminy
dia hanorina fonenanaao aminy izahay
Aleloia, Aleloia, Aleloia!

2. Ary izay tsy tia Ahy, hoy ny Tompo,
tsy mitandrina ny Teniko;
fa ny Teny renareo, hoy ny Tompo,
tsy avy amiko tsiakory,
fa avy amin'Izy Raiko,
dia Ilay naniraka Ahy
Aleloia, Aleloia, Aleloia!

3. Fa Izaho dia nilaza, hoy ny Tompo,
izany Teny rehetra izany;
Teny avy amin'Izy Raiko, hoy ny Tompo,
dieny izao fotoana izao,
mbola iarahako mitoetra,
eo am-povoanareo.
Aleloia, Aleloia, Aleloia!

4. Ilay Fanahy mpanazava, hoy ny Tompo,
izay nirahin'Izy Ray;
avy amin'ny Anarako, hoy ny Tompo,
no hampianatra anareo
ireo zavatra rehetra,
sy hampahatsiaro izay voalazako
Aleloia, Aleloia, Aleloia!

Nampiditra hery
Sokajy Fifonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092