Ry Tompo, ô raiso aho

Nampiditra: hery
Sokajy: Antson'Andriamanitra,


  • Antsao ny Tompo p. "138
  • Karine Dera p. "414

1 -Ry Tompo ô, raiso aho hanaraka Anao
Hamehy tena, hanatontosa ny hafatrao (in-2)
Nefa osa sy malemy ny olombelona
   Omeo hery tsy hivadika aminao.
    Maro loatra ny fandriky ny demony
    Mety hamily anay an-toeran-kafa
    Tsy mahomby izay atao raha tsy eo Ianao
    Ry Tompo ô, ampio aho ho tia anao (in-2)

2-Ry Tompo ô, mahalala ny zava-drehetra
Fantatrao ny toetrako sy ny kilemako (in-2)
Ampianaro aho hanaraka Anao
Ry Tompo ô, fiainana Ianao.
    Ary Ianao no làlana sy fahamarinana
    Hankanesanay any amin'ny Ray
    Mba tohano izahay tsy handeha irery
    Ry Tompo ô, arovinao izahay (in-2)

Ry Tompo ô, ampionao izahay
Ry Tompo ô, arovinao izahay
Ry Tompo ô, mamindrà fo aminay.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0073 s.] - Hanohana anay