Iny lalana iny ry Tompo no nizoranao

1 -Iny lalana iny anie, ry Tompo, no nizoranao,
ilay làlana mafy sady sarotra no nofidinao,
Mba hamonjena anay taranak'olombelona,
Sy hamitranana ny fihavanana amin'ny Ray.

E! mavesatra ny hazofijaliana nentinao e,
Novonoina Ianao ary natao tao am-pasana,
Mba hamonjena anay taranak'olombelona,
Sy hamitranana ny fihavanana amin'ny Ray.

2-Ka indro tamin'ny andrô fahatelo,
Dia nitsangan-ko velona Ianao, Jesoa Tompo,
Mba hanehoanao ny herin'Andriamanitra,
Sy hanehoanao ny voninahiny.

Tamin'izay dia gaga sy talanjona ny olona,
Satria tsy tao am-pasana intsony i Jesoa Tompo e !
Mba hanehoanao ny Herin'Andriamanitra
Sy hanehoanao ny Voninahiny.

Nampiditra hery
Sokajy Jesoa Kristy
Karine Dera p. 403
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0843