Tsotra ianao

Anao bôka Baba Zagnahary  Ilay nitia anay

Mbola ny teninao koa no tsy jirenay

Agnanaovanay be maregniny e

Mègnatr' izahay hikaiky Anao hoe: Baba,

Tompo ô, tsy mendrika ny ho zanakao

Tompo ô mifona aminao 'zahay

Tompo ô mamindrà fo aminay

Tsotra Ianao raha mibebaka izahay

Ny aigninao no natolotrao ho anay ry Kristy ô

Tsy nasianay fôtony anefa

ny ranao tamin’ny Hazofijaliana

Mègnatr' izahay hikaiky Anao hoe: Zokibe

Kristy ô, tsy mendrika ny ho zandrinao

Kristy ô mifona aminao 'zahay

Kristy ô mamindra fo aminay

Tsotra Ianao raha mibebaka izahay

Fagnahy Masina ô, Ianao Fagnahy mpankahery, Manegnign' ankitiny e,

Tam(in)'iregny hadalagna jiaby

Fagnahy Masina ô herezonao 'zahay

Tompo ô mifona aminao 'zahay

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092