Tia anay ianao Maria - Ry Maria maminay ô!

1- Ry Maria maminay ô!
    Zanakao re izahay
    Ka tsimbino lalandava
    Ety an-tany fiadiana
    Tsy mba madio fanahy
    Na koa mba mahay
    Ianao no hitondra anay
    Any amin’i Jesoa ilay hitokiana
 
2- Ireo Ray sy Reninay
    Mba ampio re ry Maria
    Nahitanay ny masoandro
    Ary tena tia anay tokoa
    Tsy ho solafaka eny an-dalana
    Ka tsinjovy izany dia
    Ny hanatranatr’izy ireny anie
    Tsy mba havelanay ho lo

3- Ny Tanindrazanay
    Jereo ry Reny be fitia
    Fa nankinina aminao
    Ahitanay Ilay tena soa
    Ny mpitondra anay arovy
    Mba ho hendry tsy hania
    Amin’ny fahamarinana
    Sy ilay fahamasinana tokoa

Tia anay Ianao Maria,
Tahaka ny nitiavan’i Jesoa anay
Koa mba ho mendrika
Ny ho zanakao ‘zahay
Maria ô! Mivavaha ho anay

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Masina Maria
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009