Ny hafaliako

1- Rehefa miha-matroka ilay lanitro manga
Ka toa manarona sy mangeja ahy,
Ny hafaliako dia mijanona ao amin’ilay aloka,
Ny mihafina sy manondrika ny tenako.
Ny hafaliako dia ny sitrapo masin’I Jesoa
Ilay tokan’ny Fitiavako,
Ka miaina tsy amin-tahotra aho,
Tiako koa ny alina mihoatra noho ny atoandro

2- Ny hafaliako dia ny miezaka, mitolona isan’andro
Dia mba hamokatra ireo voafidy maro an’isa
Tsy misy afa-tsy ny fo mirehi-pitiavana ihany
No afaka milaza amin’I Jesoa hoe:
“Ho Anao, Andriamanitra, ry Zandriko malala
Tena faly aho ny hijaly sy hiaritra mangidy
Ny hafaliako eto an-tany
Dia ny hahafaly Anao ihany”.
O ry Jesa ô, ny hafaliako dia ny mitia Anao
Satria ô ry Jesoa ô, ny hafaliako dia ny mitia Anao
Ny hafaliako dia ny mitia Anao ô ry Jesoa ô.

3- Mbola tena te-hiaina ela eto an-tany aho
Rehefa zany no sitraponao masina,
Any an-danitra any koa no tiako hanarahanana Anao
Raha izany no hitanao fa mety atao
N fitiavana, afon’ilay tanindrazana
Tsy mitsahatra mandoro ahy
Na mamelona na mamono!
RY JESOA, NY HAFALIAKO DIA NY MITIA ANAO

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2388