Satria tiako ianao Maria

1- Ry Maria ô ! satria tiako ianao, ka te-hihira aho
Mamy ao am-poko ilay anaranao sy ny fahambonianao, tsy mampihemotra ahy
Mihoatra noho ny mponin’ny lanitra ny famirapiratanao
Ka tsy mba nampoiziko velively ny hoe ho zanako
Miondrika amim-pahamendrehana aho eo anatrehanao

Maria ô satria tiako ianao,
ka te-hihira aho
hihira ilay Fitia
mba hitiavako anao

2- Ry Maria ô ! ‘zaho tsinontsinona ary tena bitika
Toa anao mba manana ilay Tsitoha, izay hitokiana, mampangetaheta antsika
N’harem-panahin’ilay Reny be fitia lovan-janaka amam-para
Ka tsy mba mihontsona aho ry Neny manana mpikarakara
Ahy ilay fitia izay nolalainao dia I Jesoa ilay Zanakao

 

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Masina Maria
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101