Olombelona miloloha lanitra

1.- Olombelona miloloha lanitra izahay Tompo ô
Mandia tany mety diso solafaka
Tsy nanaja Anao izahay – Mifona ka iantrao re
Tompo ô, Tompo ô – Mamindrà fo aminay e (2)

2.- Tsy mahasahy mijery Anao izahay Kristy ô
Satria tsy tia ireo namanay
Vonjeo ireto zandrinao – Mifona mivalo re
Kristy ô, Kristy ô – Mamindrà fo aminay e (2)

3.- Matetika tsy manaja ny vatanao izahay
Ka minia manary ireo hafatrao
Tsy nandray ny hasin’ny Fanahinao
Mifona mibebaka aminao.
Tompo ô, Tompo ô – Mamindrà fo aminay (2)

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 234
Karine Dera p. 413
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0579