Aza kivikivy foana

1. Aza kivikivy foana ho'aho
Amin'izao fiainana izao e
Fa mandalo sy miserana ihany
 Ny fiainana eto an-tany.

2. Raha mivavaka ianao
Hanampy anao Andriamanitra 
Hanampy anao Andriamanitra mahery
Hanampy anao tsy ho very.

3. Fa ny lalana mahitsy
No izory hatrany hatrany 
Ary ny fivavahana ihany 
No anampio an'izany

4. Raha midarabôka mianjera
Aza kivy fa miarena
Ary ny fivavahana ihany 
 No ataovy ao an-tsaina.

Nampiditra admin
Sokajy Samihafa
Fihirana Dera p. 283
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009