Anjelinay, ento izahay

Anjelinay, ento izahay
Ho any an-danitra anilanao.

1. Ny tananao mitari-dalana,
Ny zaza vao nomena anao;
Ny elatrao manakona azy
Tsy hilatsahan'ny manjo.

     2. Hariva ianao no maka
     Ny fivavahan'ny fonay
     Hatolotrao amin'i Jesoa
     Sy Maria Reny maminay.

3. Ny sarinao mampody lalana
Ny olona lasan'ny demony
Ny anatrao manitsy saina
Sy mampirisika ny malaina.

     4. Ny fandrahonanao ny meloka
     Manisy nenina ao am-pony
     Ny fiambenanao ny marina
     Mandraikitra azy aminao

5. Ny sabatra entinao anilan'
Ny olona efa hiala aina
Misakana ny demony miandry
Hamabo azy afaka aina

     6. Anjeliko, arovy tsara
     Ny hadiovan'ny foko
     Sakano aho tsy hanaraka
     Ny fitaka ataon'i Satana

Nampiditra admin
Sokajy Samihafa
Vavaka sy Hira p. 625
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.137