Fanevan’ny Fihaonam-be Nationalin’ny Ankizy Voalohany

Ankizy maro no mivondrona
Diosezy samihafa no nanorina
Tsy manavaka tokoa na lahy na vavy
Fa iray ihany toy ny mpianakavy


Fampianarana isan-karazany, lalao maro mahavariana
Torohevitra ihany koa raha misy ny hakiviana
Taniketsa katôlika, vovonana hafa indrindra
Ireo zoky mpanabe no mpandamina mpandrindra



Samy hafa fikambanana izahay
Dia natambatr'Andriamanitra ho iray
Tsy mitovy fihaviana ihany koa
Fa iray noho ny finoana an'i Jesoa
Ny Evanjely no teny tena mampiombona
Anay taniketsan'ny Fiangonana

Dia tezaina sy beazina ara-panahy
Ho taniketsa katôlika tena sahy
Na fikambanana na vaomieran'asa koa
Vovonan'ny ankizy vonona hifanasoa

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0487