O ry Ray ô

1- Ô ry Ray ô, rehefa mijery ny raiko aho,
Ny fikolokoloanao no fantatro aminy;
Ny famindram-ponao no tsapako eo:
Fa Idada nampianatra anay hivavaka:
Hivavaka hilaza aminao hoe: Ray !


2- Ô ry Ray ô, rehefa  eo akaikin’ny reniko aho,
Dia fantatro tsara fa mamy Ianao;
Ianao ilay malemy fanahy indrindra;
Fa Ineny nampianatra anay ho tia
An’ireo zanakao tsisy avakavaka.


3- Ô ry Ray ô, rehefa eo anilan’ny zokiko aho,
Voasarika handroso amin-kafaliana:
Matoky fa manana an’i Jesoa;
Ka lavitra anay ny hitebiteby
Satria manan-Joky Mpisolovava!


4- Ô ry Ray ô, rehefa eo anilan’ny zandriko aho,
Tsaroako fa vonona lalandava,
Ny Fanahinao no hery hanampy anay:
Fa ny zandry izarana an’izay manjo:
Fa ny Fanahy mankahery ny anaty fo!

5- Ô ry Ray ô, rehefa mibanjina an-janako aho,
Matoky ny fanantenako ny aminy;
Mahatsiaro aho, mandinika an’i Jesoa;
Ny valim-babena nomeny an-dReniny:
Nataony Mpanjakan’ireo voavonjy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0948