Inty aho, iraho aho

1- Ilay bitsikao mangina tato am-poko
Ry Tompo Andriamanitro,
No lasa renirano tsy hay fefena nandresy ahy
Ilay antsom-pitiavana izay avy Aminao
Ka hoy ianao : « Iza no irahiko ? »
Andeha hamaly ny antsonao aho
Inty aho, iraho aho e.
 
Iza no irahiko ?
Inty aho e !
Fa iza koa no andeha hoalaiko ?
Iraho aho e !
Izay vonona hijoro sady sahy
Inty aho, iraho aho e.
 
Valiny : Inty aho, iraho aho e
Hirahiko hitory ny Evanjely
Manerana izao tontolo izao
Fa ho apostoly mandrakizay
Homeko ny herin’ny Fanahy ianareo
Ho vavolombeloko hatrany
Hanohy ilay asam-pamonjena
Hitondra hafaliana ho an’ny firenena

2- Atolotro Anao ny aiko ry Jesoa ô
Hiara-hamonjy Aminao izao tontolo izao
Ka hijoro ho vavolombelona
Handray, hivelona sy hizara koa
Hihaina ao amin’ny fahazavana
Ka ho iray aina ao Aminao
Ka handeha hamaly ny antsonao aho,
Inty aho, iraho aho e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094