Vatolampy no nanorenan'i Kristy ny Fiangonany

Vatolampy no nanorenan'i Kristy 
ny Fiangonany
Ka tsy hahery noho izy
ny fanjakan'ny fahafatesana.

(Sal. 47)

1. Izahay, ry Andriamanitra,
mametsovetso ny hatsaram-ponao
ao afovoan'ny tempolinao
Ny voninahitrao dia toy ny lanitra 
Mandrakotra ny tany tontolo.

2. Fahamarinana ianao
eo amin'ny fitsaranao
Noho izany, ny vohitra Siôna mifaly,
ny zanakavavin'i Jodà mibitaka.

3. Hodidino i Siôna ka tetezo
isao ny tilikambony
banjìno ny mandany
diniho ny lapany.

4. Mba hahazoanareo mitantara
amin'ny taranaka amam-para
fa ny Tompo Andriamanitsika
no mitantana antsika mandrakizay.

Nampiditra admin
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 55
Fihirana Vaovao p. 183
Vavaka sy Hira p. 285
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0193