Izay manatona ahy tsy mba ho faty

Sas: Izay manatona ahy tsy mba ho faty,
izay mino ahy tsy mba hangetaheta intsony. (Jn. 11,26 sy 6,35)

(Sal. 35)

- Heloka no baikon'ny olon-dratsy ao am-pony
Tsy misy tahotra an'Andriamanitra eo imasony

- Mandoka tena anakampo izy
ataony fady ny miaiky hadisoana

- Ny tenin'ny vavany: heloka sy fitaka
izay fahalalana na fanaovantsoa nofy azy

- Heloka no saintsaininy
hatreo am-pandriana

- Ny fanao tsy mety no ifikirany
tsy mba dison'ny manao ratsy izy

- Tompo ô, hatrany an-danitra ny hatsaram-ponao
Mahatakatra ny rahona ny fahamarinanao

- Toa vohitra mideza ny fitiavanao ny rariny
Hatsam-be ny fitsaranao

- Vonjenao, ry Tompo, na olona na biby
Sarobidy toy inona ny hatsaram-ponao

- Ny zanak'olombelona, ry Andriamanitra ô,
mialoka ambany elatrao

- Mivoky amin'ny menaky ny tranonao
hetsaky ny hafinaretana mandriaka

- Fa ao aminao ny loharanon'ny fiainana
ny hazavanao no hahitanay hazavana

- Mbola anehoy hatsaram-po izay mahalala anao
ny fahamarinana izay mahitsy fo.

- Tsy hanosy ahy anie ny tongotry ny mpiavonavona
na hanosika ahy ny tanan'ny ratsy fanahy

- Indreo ny mpanao ratsy fa midaboka
naronjina ka lavo ankavia

Nampiditra admin
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 43
Vavaka sy Hira p. 275
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009