Tsiofy rano
Nampiditra: Belle
Sokajy:
Samihafa,
1 Misaotsa roa Andrianañahary e,
Nañome anay an'ireo ray amin-dreny;
'Reo e ro nañabe sy nañolokolo:
Namindra aina eko naha-olo.
Tsiofy rano 'reo,Tahionao ho soa ho tsara,Ny diany tsinjovy,Tsa ho totoitsa fa ho soa fiafara. 2 Ireo ro nampisotro rano tsa nahakofiña e,
Namaham-bare eko tsa nahakenda;
Niaritsa ny maharare taminay 'reo:
Nifoha maraiña, tsa nahalala taraiña.
3 Nifofotsa tokoa 'reo ko nifankatea,
Niezaka nifañasoa sy nifandefitsa;
Izao e ro lova natolony ho anay e:
Mba ho soa fototsa ny ho avy omañinay.
4 Vana maimaiña, i baba, efa añ'an-tamboho e,
I neny amin'ny nahandro sy ny velom-po;
Tsa nisy dikalaza fa vita soa izay e:
Ny hahasoa anay ro niaretany mahamay.