Tanora mijoro

1 Ny Teninao faniloko, ry Tompo:
 Fahazavana eny an-dalako,
 Mamelona, mandrehitra ny foko,
 Hijoroako ho vavolombelona.
 
Tanora mijoro, fanantenana,
Ho fanilo, ho vavolombelona;
Tanora mijoro ho fahazavana
Eo anivon'ny mpiara-belona.
 
2 Koa mandehana, hoy ianao kosa,
 Eran'ny tany sy izao tontolo izao:
 Omeo finoana 'zay rehetra osa,
 Ny mahantra aza atao ankilabao.
 
3 Tanora รด, mba aiza moa isika?
 Mijoro ve sa misalasala?
 Matokia ianao ho tafita:
 Hanara-dia an'i Jesoa Kristy.
 
4 Ny Teninao hanenika ahy, ry Tompo:
 Hamelona aina toy ny orana,
 Hanetsaka, handonaka ny tany,
 Haharitra sy hampamokatra.

Nampiditra Belle
Sokajy Samihafa - Tanora
Fihirana Hasina p. 796
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.094