Ny vola sy ny harena
Nampiditra: Belle
Sokajy:
Samihafa,
Ny vola sy ny harena:Hanompoana Anao,Ry Ilay Mpahary tia anay;Ambino ny asanay,Omeo ny sahaza:Hoentinay manompo Anao! 1 Fa hatrany am-piandohana
Ny taranak'olombelona:
Nasainao handavorary
Ny zavatra rehetra
Izay nataonao,
Ka indro hanompoanay Anao!
2 Tsy mahavita tena
Isika olombelona,
Fa mila ny indrafon'ny Ray;
Tsy maintsy mifanampy
Ary miara-miasa,
Hiezaka hanao ny tsara!
3 'Zay nomenao anay:
Tsimbino lalandava,
Ho entinay manasoa
Ireo namanay
Sy ny Fiangonanao;
Isaoranay Anao!