Natsangan-dRae (dRay) ho zandrinao añay

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fifonana,


  • Fihirana Hasina p. "785

1 Natsangan-dRae ho zandrinao añay,
 Mba iombon-kafaleana aminao.
 Añay e ro tsa niteno raha:
 Amy fivoarana sahaza ny maha-zanaka.
          Tompo ô, mamindrà fo aminay.
 
2 Efa iray lalaña aminay añao,
 Resinao tokoa ny fahafatesana.
 Añay e vona misalasala:
 Tsa natoky (ny) taroñao sy ny hafatsao.
          Kristy ô, mamindrà fo aminay.
 
3 Natolotsao ho anay ny aiñao,
 Izay tokoa ro fara fitiavana.
 Ny anay ny teña mady no fatatsay e:
 Tsa tea maro, tsa te hiadañan'ny hafa.
          Tompo ô, mamindrà fo aminay.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0069 s.] - Hanohana anay