Misaotra anao izahay
Nampiditra: Belle
Sokajy:
Fisaorana,
Misaotra anao 'zahay,
Ry Tompo tianay,
Fa mbola nomenao tombon'andro iray
Hahay midera anao.
Ny zavatra ataonay,
Ankinina aminao,
Fa lehibe tokoa ny fitiavanao
Ny mpanomponao.
Hery lehibe tokoa ho anay
Ny mivavaka aminao;
Koa ampio ny olonao,
'Zay mangataka aminao
Ny fahasoavanao.