Miraisa saina
Nampiditra: Belle
Sokajy:
Samihafa,
Tanora,
1 Miraisa saina isika rehetra:
Hitondra soa tsy manam-petra;
Ny Firenena, ny Fiangonana,
Fiaraha-monina:
Ireo no sehatra hikatrohana.
Ry Ray ô, Jesoa Zokinay!Tahio ny Kolejinay:Masina Misely AMPARIBE;Fanahy Masina, tahio izahay:Hatsilo saina, hazava fo fanahy. 2 Miraisa fo isika rehetra:
Hitondra soa tsy manam-petra;
Ka hifanoro amin'ny lalana
Tsy maintsy hizorana:
Ho tody soa, izay no tanjona.
3 Mifandraisa tànana isika rehetra:
Hitondra soa tsy manam-petra;
Ary hamongotra sy hanafoana
Ireny ratsy ireny,
Ka dia ny marina no ventesina.
4 Miraisa feo isika rehetra:
Hitondra soa tsy manam-petra;
Tolory saotra izy nampitoetra
Fahasoavana, finoana, fitiavana,
Hatrizay sy ho mandrakizay.