Kristianina tia fihavanana
Nampiditra: Belle
Sokajy:
Samihafa,
1 Mifankatiava, hoy ny Tompo,
Ka ho vavolombelony;
Fifankatiavana ihany
No mampijoro ny Fiangonana. (indroa)
Kristianina tia fihavanana:Taratry ny Fiangonana,Fiangonana mijoro;Ndeha hifanome tanana,Hifanampy, hifanohana,Ary koa hifanasoa. 2 Mahaiza koa mifandefitra,
Mitafia halemem-panahy;
Dia ho faly hiara-monina,
Ny Kristianina iray Fiangonana. (indroa)
3 Aoka isika hifampitsimbina;
Mitafia fahatsorana:
Hampitombo fihavanana,
Hampandroso ny Fiangonana. (indroa)