Hafaliana anatin'ny haravoana

Nampiditra: Belle
Sokajy: Andriamanitra Ray,


  • Karine Dera p. "484
  • Fihirana Hasina p. "765
  • Antsao ny Tompo p. "100

Hafalegna anatin'ny haravoagna e e;
Misaotra ny Zagnahary e,
Izay mamelognô sy mitondra amin'ny hatsarana;
Falifaly e, ravoravo izahay e,
Mankasitraka ny asa vitan'ny Baba!
 
1 Faly izahay e e,
 Zanaka mamy natsanganao ô:
 Anao Zagnahary izay Babanay e e,
 Anao izay namonjy ny olo jiaby e e!
 
2 Ravo izahay e e,
 Navotanao Babanay e e:
 Tsy tianao ho very ny zanakao ô ô,
 Anao Zagnahary izay tsara fo ô ô!
 
3 Rariny raha faly e e,
 Amin'ny fahasoavana azonay e:
 Derainay ny voninahitrao ô ô,
 Mitondra fiadanana sy hatsarana a!

 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0075 s.] - Hanohana anay