Andriamanitra fitiavana ianao

1 Andriamanitra fitiavana ianao
 Ka mihevitra ny momba anay etý;
 Raha mifoha maraina izahay,
 Dia tsy afaka am-bavanay ny hoe:
 Ampy ho anay ny fahasoavanao.
 
Raha maraina mibaliaka ny andronay etý,
Ianao no masoandro niaviany.
Raha ny alin'ny ririnina mandalo etý,
Ianao no kintana hitantana ny dia.
Fa ny vavaka atao, 'zay mipololotra
Am-ponay ao hoe:
Izahay anie matoky anao.
 
2 Andriamanitra Fitiavana ianao
 Ka mitantana ny dianay etý;
 Raha mandimby ny andro ny alina,
 Mbola tokana ny derainay hoe:
 Ampy ho anay ny fahasoavanao.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 759
Fihirana Vaovao p. 209
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0242