Ampianaro aho, Tompo ô

Nampiditra: Belle
Sokajy: Samihafa,


  • Fihirana Hasina p. "758
1 Ampianaro aho, Tompo ô
 Mba ho haiko ny mitondra
 Ilay fitiavana ao am-poko:
 Mba ho ravaka diamondra.

Omeo ahy ny fandeferana,
Handreseko ny hambom-poko.
Toroy ny faharetana,
Hiandrandrako valisoa.
Omeo ahy ny fahendrena
Sy ny fiarovan-tena,
Ho mendrika tokoa re
Ny fitiavanao.

2 Toroy aho, ry Ray;
 K'ilay fitiavana tanatiko,
 Tsy hahavery ahy,
 F'atolotro ho fanatitro.

3 Toroy aho hahay mitia;
 Ampio mba ho mendrika,
 Tahio haharitra ho doria,
 F'aza avelanao ho rendrika.

4 Ny fitiavana avy aminao,
 Fa faniriana ihany ny ahy;
 Apetrako eo an-tananao
 Ny foko mino tsy manahy.

Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0957 s.] - Hanohana anay