'Zahay no maraina tomaratra

1 'Zahay no maraina tomaratra
 Miposaka avy any atsinanana
 Ho fanantenana misandratra,
 Handroso tsy laitra tohanana.

'Ndreto izahay feno hery sy toky
Manana anao, eny mantsy, Razoky,
Jesoa, ianao no ho tompon'ny laka:
Eran'ny Nosy tsy maintsy manjaka.

2 'Zahay no solofo mipoitra
 Ho dimbin'ny ala taloha
 Ho fanantenana mioitra,
 Ho hery manainga tsy toha.

3 'Zahay te hamaly fitia
 Handany ny ainay ho anao;
 Fihino kanefa, satria
 Malemy, ka mora mandao.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 750
Vavaka sy Hira p. 637
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089