Tsy mba renao va, ry tanora

1 Tsy mba renao va, ry tanora,
 'Zany kotrok'ady midona:
 Miatràna, raha mba hiady
 Te hanara-dia an'i Jesoa.

Arahaba, ry Lakroà,
Ry saina maminay,
Ianao no reharehanay
Izahay hiaro anao isan'andro
Ary mandra-pahafatinay.

2 Io no sainan'ilay Filoha
 'Zay nitory ny Evanjely;
 Io no sainanao, ry tanora,
 Te hanara-dia an'iJesoa.

3 Io no sainan'ireo Martiry
 'Zay nitana ny velirano;
 Io no sainanao, ry tanora,
 Te hanara-dia an'i Jesoa.

4 Io no sainan'ny Apôstôly
 'Zay namoy ny ainy ho antsika:
 Io no sainanao, ry tanora,
 Te hanara-dia an'i Jesoa.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy - Tanora
Fihirana Hasina p. 740
Fihirana Vaovao p. 543
Vavaka sy Hira p. 637
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728