Tsy manodoka e ny fanantenana (Rom. 5, 5)
1 Ota maro niveloman'ny vahoaka,
Zanakao no sitrakao ho solo voina!
Fa mahery ny Fitiavanao, ry Ray.
2 Hatezerana no mendrika ny tany,
Zanakao nalatsa-dra hampita aina!
Fa mahery ny Fitiavanao, ry Ray.
3 Fahavalonao tokoa 'zahay taloha,
Izao kosa Zanakao no vonjy aina!
Fa mahery ny Fitiavanao, ry Ray.
4 Reharehanay tokoa ny Zanakao,
Mampihavana, mampiombona aminao!
Fa mahery ny Fitiavanao, ry Ray.