Tompo ô, 'ntý aho mba iraho

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fanirahana, Antson'Andriamanitra,


  • Fihirana Hasina p. "729
  • Vavaka sy Hira p. "517

Tompo ô, 'ntý aho mba iraho
Hiasa ho anao.
 
1 Mandehana ianareo eran-tany,
 Hoy ny hafatrao, ry Tompo, fahiny;
 Ataovy oloko ny vahoaka manontolo
 Mba hihaino sy hankatò 'zany teniko.
 
2 'Ndreto re 'zahay tanoranao, ô ry Tompo,
 Vonona hanoina 'zany antsonao,
 Manome toky anao fa hiasa tokoa
 Mba hitondra sy hitory 'zany hafatrao.
 
3 Mandehana ianareo eran'ny tany
 Mampianara ny firenen-drehetra
 Ataovy batemy izay mino ny anarako
 Mba ho tonga oloko ka hihaino ahy.
 
4 'Ndreto re 'zahay tanoranao, ô ry Tompo,
 Mirana sy faly marina tokoa.
 Jereo ny fonay mientana aok'izany
 Ka hiasa sy hamboly amin'ny sahanao.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0071 s.] - Hanohana anay