Raiko ô, mbola tsisy ary akory
Nampiditra: Belle
Sokajy:
Andriamanitra Ray,
1 Raiko ô, ry Raiko ô,
Mbola tsisy ary akory ny voaary manontolo
Dia efa izaho ilay Teninao
Tao anatinao hatrany.
Ny Fanahy no ifankatiavantsika.
2 Raiko ô, ry Raiko ô,
Taonjato maro be, ianao nandefa Mpaminany
Ho an'ilay vahoakanao.
Teninao no nambarany,
Ny Fanahy no nibitsika azy ireo.
3 Raiko ô, ry Raiko ô,
Ianao naniraka ahy ho amin'izao tontolo izao:
Ary indro aho nanangona
Ireo zanakao rehetra.
Izao kosa dia miverina aminao.
4 Raiko ô, ry Raiko ô,
Fianainao Andriamanitra Ilay Tokana Avo indrindra
Tsy mba fiainana manirery
Fa fiainan-kasambarana
Iombonako aminao sy ny Fanahy.
5 Raiko ô, ry Raiko ô,
Tsiambaratelontsika no naborako ny olona:
Tsy fiainana miolonolona
Fa fiainam-pifaliana
Iantsoanao azy ireo iriariavana.
6 Raiko ô, ry Raiko ô,
Indro aho ankehitriny fa efa eo anilanao.
Ireo Mpianatro dia mino
Fa avy any ambony aho.
Dia handefa ny Fanahy iainantsika.