Sambatra loatra ny fo tia anao
Nampiditra: Belle
Sokajy:
Komonio,
1 Sambatra loatra ny fo tia anao,
Jesoa hôstia 'zay vao nohaniko;
Fahasoavana mitosaka be
Mitsororoka ao anatin'ny foko.
Ry hôstia masina ô (Ry hôstia masina ô),Jesoa vao noraisiko (Jesoa vao noraisiko);Sambatra aho Tompo fa notsidihinao(Sambatra aho, sambatra aho).Sambatra aho, mijanòna,Mijanòna ato am-poko, ry Jesoako. 2 Misaotra anao e, ry Jesoa hôstia,
Mamangy ahy mpanota tsy mendrika,
Misaotra, ry Jesoa, fa mamiko izany;
Tsy hitako izay havaliko anao.
3 Inona re, Jesoa, no atolotro anao?
Ny fikasako tsy hisaraka aminao.
Tahio aho tsy hivadika indray.
Ny sitra-poko tohano, Tompo ô.