Sambatra, hoy ny Tompo, izay mahantra

1 Sambatra, hoy ny Tompo, izay mahantra,
 Ireo ataon'izao tontolo izao hoe zinona:
 Ho azy ireo ny Vaovao mahafaly!
 Sambatra! Sambatra e! Sambatra!
 
2 Ary ireo malemy paika be fitiavana,
 Ka mandefitra ny zavatra rehetra:
 Azy ireo ny Fanjakan'Andriamanitra!
 Sambatra! Sambatra e! Sambatra!
 
3 Sambatra ny mitomany sy ny noana,
 'Zay mitady fahamarinan'Andriamanitra
 Fa hiravoravo izy ary ho voky
 Sambatra! Sambatra e! Sambatra!
 
4 'Reo mamindra fo ny rahalahy mahantra
 'Reo mitsetra ny enjehina sy ny ory:
 Hamindrana fo tokoa izy ireo!
 Sambatra! Sambatra e! Sambatra!
 
5 Sambatra ny mahitsy fo tanteraka
 Tsy miroa saina hitandrina ny didy
 Izy ireo hahita tava an'Andriamanitra.
 Sambatra! Sambatra e! Sambatra!
 
6 N'iza n'iza ka mandala fihavanana
 Mampiray irony fo 'zay mifandrafy
 Dia ho zanak'Andriamanitra izy ireo
 Sambatra! Sambatra e! Sambatra!
 
7 Sambatra ny enjehina, ampangaina,
 Noho ny firaiketany amiko hatrany:
 Tsy ho menatra azy aho any aoriana!
 Sambatra! Sambatra e! Sambatra!
 

 

Nampiditra Belle
Sokajy Samihafa
Ankalazao ny Tompo p. 79
Fihirana Hasina p. 713
Fihirana Vaovao p. 327
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094