Ry vahoaka, mba valio

Nampiditra: Belle
Sokajy: Karemy, Jesoa Kristy,


  • Vavaka sy Hira p. "686
  • Fihirana Hasina p. "708
  • Fihirana Vaovao p. "111

1 Ry vahoaka, mba valio, moa ianao tsy navotako?
 Novonjeko tany Ejipta, nofidiko ho vahoakako.
 
Andriamanitra masina ô, masina sy mahery,
Andriamanitra velona, mamindrà fo aminay e.
 
2 Ianao mba novonjeko, 'zaho kosa nohelohinao,
 Ka ny hazofijaliana no omenao ho anjarako.
 
3 'Reny taona efapolo nitondrako ny zanakao,
 Raha noana dia nomeko mofo avy any an-danitra.
 
4 Ianao nomeko hery, 'zaho kosa kapohinao,
 Ary tsilo no alaina mba hatao fehilohako.
 
5 Ry vahoaka namboleko ho voaloboka mamy,
 Nokoloiko, nofefeko sao simban'ny mpialona.
 
6 Ianao mba nolalaiko, 'zaho kosa fatoranao,
 Hotarihim-pahavalo, holatsaina, hofantsihana.
 
7 Hetaheta lozan-tany no niantsoanao ny heriko,
 Vatolampy no nasaiko hisy rano hisotroanao.
 
8 Hetaheta no zakaiko, ka izaho miantso,
 Nefa indrisy fa vinaingitra no omenao handramako.

 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0102 s.] - Hanohana anay