Endrey, ny hafaliako

Endrey ny hafaliako raha nilazana hoe:
Andeha isika ho any an-tranon'i Iaveh.

1- Faly aho nilazana hoe:
"Andao ho any an-tranon'ny Tompo!"
ny tongotray indro mijadona
eto am-bavahadinao, ry Jerosalema

2- Ry Jerosalema, ilay voaorina ho tanàna tsara rafitra:
hiakaran'ireo foko maro, dia ny fokon'izy Tompo.

3- Adidy ho anao ry Israely, ny midera ny anaran'ny Tompo
ao ny no mijoro ny fiketraham-pitsarana,
ny fiketrahany zanak'i Davida

4- Miraria fiadanana ho an'i Jerosalema:
Fiadanana anie ho an'ny mponina ao aminao,
fiadanana ho an'ny mandanao, fiadanana ho an'ny rovanao!

5- Noho ny havana aman-tsakaizako,
aoka aho hiteny hoe: "homba anao anie ny fiadanana!"
noho ny tranon'ny Tompo Andriamanitra
avelao aho hirary soa ho anao.

Nampiditra nante75
Sokajy Fiaviana - Salamo
Fihirana Vaovao p. 8
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0214