Avia, ry Jesoa, avia

Nampiditra: nante75
Sokajy: Komonio,


  • Fihirana Dera p. "83
  • Vavaka sy Hira p. "740
  • Fihirana Vaovao p. "368
  • Fihirana Hasina p. "418

1- Avia, ry Jesoa, avia,
hitantana ity mpivahiny,
fa iny manjombona iny
ny lalan-kizoran'ny dia

Avia, ry Jesoa, avia

2- Avia, ry Jesoa, avia,
marisika anie ny fanahy,

fa indrisy ny mandreraka ahy,
ny nofoko be siasia

3- Avia, ry Jesoa, avia,
ny rafiko mantsy mahery,

ny tenako osa sy irery,
ny fiainana rano maria

4- Avia, ry Jesoa, avia,
ity zandrikely, raha lavo,

areno hikendry ny avo,
asaovy hampian'i Maria

5- Avia, ry Jesoa, avia,
fa efa tsy andriko intsony

ilay paradisa ao ambony,
hifankahitana ho doria.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0065 s.] - Hanohana anay