Ry Reny tsara, anao ny aiko

Ry Reny tsara, anao ny aiko
Sy ny foko sy ny saiko.
Herezo mafy ny fikasako
Tsy mba handao anao.
 
1 Tonga ianao tany Salette,
 Masina Maria mangora-po,
 Fa nalahelo mafy indrindra
 Ny zanakao malalanao.
 
2 Ny olonao nikomy ratsy,
 Masina Maria mangora-po,
 Fa tsy mitandrina ny lalàna
 Nomen'i Jesoa azy re!
 
3 Masina Maria avy an-danitra,
 Mba hitomany etý an-tany
 Amin'ny zanany mahantra
 Tsy mba manaiky an'i Jesoa.
 
4 Aza foinao, Reny malala,
 Ny zanakao maditra fo.
 Fa izy handao ny lalan-diso
 Mba tsy hovery an'afobe.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 704
Vavaka sy Hira p. 615
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1167