1 Ry Reny madio,
Antsoinay izao:
Tsarovy anio
'Reny teninao.
Maria be fitia,
Reny maminay,
Arovy ny dia
Sy ny tenanay.
2 'Zay manandra-peo
Dia ho very ve
Henoy ka jereo
'Reo miantso hoe:
3 Be ny very dia
Tsy mahita anao;
Vonjeo 'reo mania
Mba ho tia anao.