Ry Notre-Dame du Bon Remède

1 Ry Notre-Dame du Bon Remède,
 Reny mpiantra sy be indrafo,
 Matoky sy manantena anao
 Ny zanakao vory eto anio.

'Ndreto 'zahay mankalaza anao, )
Reny malala maminay tokoa.     )
Ry Notre-Dame du Bon Remède ) (indroa)
Mivavaha ho anay.                     )

2 Ry Notre-Dame du Bon Remède,
 Reny mpiantra sy be indrafo,
 Tambatambazo ny malahelo,
 Sitrano koa ny marary rehetra.

3 Ry Notre-Dame du Bon Remède,
 Reny mpiantra sy be indrafo,
 Ampio, vonjeo ny ray aman-dreny
 Sy ny ankizy madinika rehetra.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 702
Vavaka sy Hira p. 617
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086