Ry miaramilan'ny Tompo

1 Ry miaramilan'ny Tompo,
 Mitsangàna, hono, ianao,
 Ka ny asanao ataovy aman-joto:
 Andriamanitra anie homba anao.
 
Mitsangàna, mandrosoa,               )
Jesoa Tompo no miantso anao e.  )
Mahereza, hono, ianao fa aza osa ) (indroa)
Andriamanitra anie homba anao.  )
 
2 Andriamanitra Rainay mahery,
 Mba tsinjovy 'zahay zanakao,
 Mba tohano tsy handeha irery,
 Ka matoky fa harovanao.
 

 

Nampiditra Belle
Sokajy Samihafa - Tanora
Fihirana Hasina p. 695
Vavaka sy Hira p. 642
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0696