1 Reny mazava fo, Maria e,
Raiso 'ty fehin-draozy ity;
Ny fonay no manolotra azy
Mba hankafizin'ny fonao
Ny raozy etý mora malazo,
Miondri-doha maty aina.
Ny fitiavanay anao re,
No raozy velona mandrakizay. (indroa)
2 Mandalo foana etý an-tany
Ny laza sy ny haingo be,
Ka levona izy toy ny rahona,
Toy ny vovoka an-tany foana.
Ny fanajanay anao, Reny,
Tsy ho levona, tsy lasa foana.
Ny fitiavanay anao re
No raozy velona mandrakizay. (indroa)
3 Rahefa ho faty izahay e
Halazo ny ainay endrey!
Toy ny voninkazo voatapaka,
Very endrika sy very aina.
Ny fanahinay ampakaro
Hidera anao an-danitra any.
Ny fitiavanay anao re
No raozy velona mandrakizay. (indroa)