1 Reny jereo 'zahay miangona eto amin'ny tongotrao
Hamaly hira sy fisaorana ny fitiavanao anay.
Ny fonay feno haravoana,
Miditra atý hanome haja anao:
Anao, Maria, ny tenanay rehetra,
Koa tsy mba handao anao,
Tsy mba handao anao 'zahay, Maria.
2 Ny ela-baratr'i Satàna manelatrelatra aminay,
Fa i Maria misakana azy, ka izy tsy mandratra anay.
3 Raha i Satàna misarangotra manipy lefona aminay
Ny tanan'i Maria mamefy, fa izy no ampinganay.
4 Reny hajainay rehetra, tariho ny alehanay,
Ambeno tsara ny ankizy, arovy koa ny lehibe.
5 Harahinay ny fonao, reny, mba haharesy ny demony,
Fa ny ampinganao mba raiso, hiarovanao ny zanakao.