Reniko izy

1 Reniko izy!
 Tsy ho tiako izy va?
 Izy no tiako indrindra,
 Ary ny lazan'i Maria
 No deraina an-tany rehetra,
 Tsy ho tiako izy va?
 Maria no Reny tsara! (indroa)
 
2 Reniko izy!
 Tsy ho tiany aho va?
 Izy miantra ny halemeko,
 Ka ny ataoko no tahiny;
 Heriko sy tokiko izy,
 Tsy ho tiany aho va?
 Maria no Reny tsara! (indroa)
 
3 Reniko izy!
 Mpiaro ny hadiovako;
 Miady aho isan'andro,
 Fa be ny fandriky ny demony
 Raha sendra ho resy aho
 Tonga kosa ny Reniko.
 Maria no Reny tsara! (indroa)
 
4 Reniko izy!
 Koa tsy ho mamin'ny foko?
 Maria, ny zanakao tomany,
 Fa te-ho any an-taninao.
 Ka hialoka aminao aho,
 Sy ho faly mandrakizay.
 Maria no Reny tsara! (indroa)
 
5 Reniko izy!
 Ho ravo ny foko, endre!
 Raha tafiditra any an-danitra
 Handray 'zay valin'ny natao,
 Hanakaiky sy hidera azy,
 Sy ho faly mandrakizay.
 Maria no Reny tsara! (indroa)

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 683
Vavaka sy Hira p. 591
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0273